<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>185</hymn_number>
<title>O! Ry Fanahin'ny Ray ao ambony FFPM185</title>
<lyrics>[V1]
 O ! ry Fanahin'ny Ray ao
 ambony
 Andriamanitra mandrakizay,
 Aza avela hisaraka intsony
 Ny olo-mino, fa aoka hiray ;
 Taomy ho an'i Jesosy
 Mpamonjy
 Ny mbola maizina ka hazavao,
 Hahafantarany tsar any vonjy,
 Dia ho faly ny mino Anao.

[V2]
 O ! ry Mpiantoka ny
 famonjena,
 Azo ny antoka tsara izao ;
 Tonga ny iraka be fahendrena
 Mba hanambara ny sitraponao,
 Ka ny lelafo noraisin'ny mino
 Sy ny fiteniny tonga vaovao
 Dia nahagaga, ka tena
 nampino
 Olona maro hanaraka Anao.

[V3]
 Ry Mpampionona ô ! mba
 sitrano
 Fa voaratran'ny ota izahay ;
 Ka izay ory mba ampiadano,
 Ny malahelo falio indray !
 O, mba ovaonao tokoa ny
 sainay,
 Taomy ka ampahareto ny fo ;
 Ka raha ory, arovy ny ainay,
 Mba tsy hafoinay intsony
 ny to !</lyrics>
<author>O. Ahnfelt</author>
</song>